MOMBAMOMBA ANAY
Ny hafatry ny hazo fijaliana
“Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.”– Matio 16:24
Ny hafatry ny hazo fijaliana, ilay ivon’ny Filazantsara indrindra, dia miantso antsika mba hanahafantsika isan’andro ny fijalian’i Jesosy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany. Kristy dia mitaky amintsika mba hitondrantsika ny hazo fijaliantsika sy hamonoantsika ny momba ny tenantsika ara-nofo, mba hisehoan’ny fiainany bebe kokoa ao amintsika ary amin’ny alalantsika.
Izahay dia mitory an’i Jesosy Kristy, indrindra fa Jesosy Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana, satria izany irery no hafatra tena manova ny fiainana. Manasitrana ny fo, mandrava ny sakana ara-poko, ara-kolontsaina sy ara-pivavahana, ary mampiray ny tenan’i Kristy.
“Fa ny teny ny amin’ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.” – 1 Korintiana 1:18


BOKY
NY FANAMBIN’NY HAZO FIJALIANA
Mpanoratra: Miki Hardy
Afaka mino isika fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ary afaka nanaiky an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy antsika isika, ka maniry ny hanompo Azy marina. Saingy, azontsika tsara ve fa, amin’ny maha-kristiana antsika, dia nantsoina isika hitondra ny hazo fijaliantsika sy hanaraka Azy, araka izay notakiany tamintsika ? Mba hanahafantsika Azy, ny fahafatesany, ny fijaliany sy ny fitsanganany?
HAFATRA