Miki sy Audrey Hardy, miaraka amin’ireo loholon’ny CTMI, nandritra ny Kaonferansa Iraisam-pirenena 2025.

EKIPAN’NY LOHOLONA

NAMPIRAISIN’NY HAFATRY NY HAZO FIJALIANA

Ny ekipa apostolikan’ny CTMI dia ahitana mpitarika avy amin’ny fiangonana manerana izao tontolo izao, tafaray noho ny hafatry ny hazo fijaliana sy ny asa ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ambonin’ny maha-mpiara-miasa azy ireo, dia miaina izany hafatra izany izy ireo, mifanohana, mitety firenena maro ka manompo ny fiangonana amin’ny fo iray.

Ny firaisan’izy ireo dia porofon’ny herin’ny hazo fijaliana : hafatra iray izay mandrava ireo sakana, mampiray ny fo, ary manampy ny kristiana hitombo amin’ny finoana. Ny vinan’izy ireo dia ny hampitaovana sy hampiorina ireo mpitarika sy ny fiangonana amin’ny alalan’ny hafatra apostolikan’ny hazo fijaliana, hanangana taranaka vonona hanompo an’i Kristy sy hanorina ny Fiangonany.

EKIPA ana LOHOLONA

IREO ASA FANOMPOANA DIMY

Ny CTMI dia mitandrina amin’ny fihazonana ny rafitra ara-baibolin’ny Fiangonana mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay ny filankevitry ny loholona no misolo tena ny fahefana ara-panahin’ny Fiangonana. Ao anatin’ireo loholona ireo, dia misy ireo izay nohosoran’Andriamanitra sy nantsoina ho amin’ny iray amin’ireo fanompoana dimy voalaza ao amin’ny Efesiana 4:11, dia ny apostoly, ny mpaminany, ny evanjelista, ny mpitandrina ary ny mpampianatra.

Ireo asa fanompoana ireo dia fanomezana natolotr’i Kristy ho an’ny Fiangonany mba hanampy amin’ny fitomboany ara-panahy, ny firaisany ary ny fahamatorany. Ny asa fanompoana tsirairay dia maneho ny ambaratongany avy amin’ny fahefana ara-panahy, kanefa miara-miasa amim-pirindrana izy rehetra mba hanompoana ny Fiangonana. Tsy ny hanjakazaka no andraikiny, fa ny hampitaovana ny kristiana, hampandroso ny tenan’i Kristy, ary hitarika ny Fiangonana mba haneho bebe kokoa ny fiainana sy ny toetran’i Jesosy. 

Samy ao anatin’ny filankevitry ny loholona izy rehetra, ao anatin’ny fiangonam-paritra ary mifanaiky sy mifankatò amin’ny maha-samy mpanompon’Andriamanitra azy.

  • Miki Hardy

    • Apostoly

    Loholona –

    • Maorisy

    VIEW MOREleft icon

  • Stephen Gachengo

    • Apostoly

    Loholona –

    • Kenya
  • Richard Langworthy

    • Apostoly

    Loholona –

    • Zimbaboe
  • Peter McKenzie

    • Mpaminany

    Loholona –

    • Amerika
  • Basil O’Connell-Jones

    • Evanjelista

    Loholona –

    • Afrika Atsimo
  • Marc Labonté

    • Mpaminany
    • ·
    • Pastora

    Loholona –

    • Maorisy
  • Roland La Hausse

    • Pastora
    • ·
    • Mpampianatra

    Loholona –

    • Maorisy
  • Jocelyn Sery

    • Pastora
    • ·
    • Mpampianatra

    Loholona –

    • Nosy La Réunion
  • Fabien Larhubarbe

    • Pastora

    Loholona –

    • Maorisy
  • Jean Louis Gaillard

    • Pastora

    Loholona –

    • Frantsa
  • Lazaro Maalim

    • Pastora

    Loholona –

    • Tanzania
  • Elie Mpule

    • Pastora

    Loholona –

    • Tanzania

NY EKIPA MISIONERA

MANOMPO NY VINA

Eo anilan’ny ekipa apostolika, dia maro ireo kristiana manolo-tena manompo am-pahatokiana mba hitondra ny vinan’ny CTMI manerana an’izao tontolo izao.

Ny ekipa mpandrindra dia manara-maso ny fandaminana ireo hetsika iraisam-pirenena, ny fanomanana ireo dia misionera, ary ny fitandroana ny fifandraisana amin’ireo foibe isam-paritra samihafa (hubs). Miara-miasa akaiky amin’izy ireo ny sampana serasera (media), mampivondrona ireo matihanina ara-tserasera, mirotsaka amin’ny fanaparitahana ny hafatry ny Filazantsara amin’ny fomba mivelatra sy mahomby araka izay tratra. Etsy ankilan’izay kosa, ny sampan-pitantanana dia miandraikitra ny lafiny rehetra ara-lojistika sy ny ara-pampiharana, ilaina amin’ny fampandehanana tsara ny CTMI, miantoka ny fisian’ny rafitra matanjaka ho amin’ny famitàna ny iraka.

Misy vondrona vehivavy manolo-tena koa mitàna anjara toerana lehibe amin’ny fanatanterahana izany vina izany. Amin’ny alalan’ireo kaonferansa natokana ho an’ny vehivavy izay anasana azy ireo mba hizara, dia manentana izy ireo, mampitao ary mampahery olona maro amin’ny alalan’izany. Ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny famoriam-bola sy ireo hetsika maharitra ataony dia maneho ny fanoloran-tenany lalina, manampy mafy amin’ny vokatra sy ny fitomboan’ny CTMI.

Raha tsy misy ny fahatokiana, ny zotom-po, ary ny fon’ireo rahalahy sy anabavy ireo, dia tsy ho tanteraka ny vina. Ny fanompoany mangina nefa tena sarobidy dia ahafahan’ireo loholona sy mpitarika mifantoka tanteraka amin’ny fanompoana. Noho ny asan’izy ireo — izay matetika any amin’ny tsy hita maso — dia mandroso ny iraka, mikasika fiainana ary manova ny fo ho voninahitr’Andriamanitra.