MombaMOMBA anay

Iza moa izahay?

Maherin’ny 30 taona lasa izay, dia nisy vina nitsiry tao am-pon’i Miki Hardy sy Audrey vadiny ary tao anatin’ny ekipan’ny mpitarika avy amin’ny firenena samihafa: dia ny hitondra ny hafatry ny hazo fijaliana izay nanova ny fiainan’izy ireo any amin’ireo mpitarika aty Afrika. Ankehitriny, izany vina izany dia nivelatra ka lasa asa fanompoana iraisam-pirenena miasa any amin’ny firenena maherin’ny 40.

CTMI dia mijoro mba hampiray ireo mpitarika fiangonana sy ny kristiana manodidina ny hafatra tokana : dia Jesosy Kristy indrindra fa Jesosy Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana. Amin’ny alalan’ny kaonferansa, hetsika ho an’ny mpitarika, famangiana fiangonana, lasy ho an’ny tanora ary amin’ny haino aman-jery maro samihafa, dia mampitao ireo mpitarika izahay, mampahatanjaka ny kristiana ary mamatsy ao amin’ny taranaka tanora.

CTMI dia miorina eo ambonin’ny tambajotram-piangonana iray izay mitombo hatrany, mifamatotra amin’ny alalan’ny fifandraisana lalina, velomin’ny hafatry ny hazo fijaliana ary voahovan’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fomba maharitra.

ISAN-TAONA, NY CTMI DIA MIKARAKARA

KAONFERANSA
HETSIKA HO AN’NY MPITARIKA
FAMANGIANA FIANGONANA
LASY

KRONOLOJIA

LALANA TERY

1977
  • Afo kelin’ny fifohazana tao amin’ny nosy Maorisy

Niaina fifohazana tamin’ny alalan’ny hetsika karismatika mahery vaika ny nosy Maorisy.

1978-1982
  • Zotom-po fa tsy nisy fahamatorana

Mpitandrina tanora, feno zotom-po no niverina avy any amin’ny sekoly fianarana baiboly tany Afrika Atsimo, nikambana tamin’ny fiangonana iray tao anatin’ny fifohazana tanteraka tao Curepipe, nosy Maorisy. Lehibe ny hafanam-po, ny zotom-po, ny fitoriana ny filazantsara sy ny fahagagana, kanefa tsy ampy fahamatorana ara-panahy ny fiangonana.

1982–1986
  • Fisarahana

Nisedra fisarahana ireo mpitarika, fifandrafiana ary ny faniriana manokana nananan’ny tsirairay, izay niteraka fahasahiranana ka nanasarotra ny fiaraha-miasa niaraka.

1986
  • Fiovana lehibe

Tao anatin’ny fitadiavana valiny, dia nitodika tamin’ny Soratra Masina i Miki Hardy ary nanomboka nizara fahamarinana fototra roa : ny rafitry ny Fiangonana (fiverenana amin’ny asa fanompoana apostolika) sy ny hafatry hazo fijaliana.

1987–1989
  • Nisy fifandraisana lehibe niforona

Fifandraisana lehibe no niforona nanerana ny Ranomasimbe Indiana, ny Afrika ary Eoropa. Stephen Gachengo (Kenya), Richard Langworthy, Peter McKenzie, Basil O’Connell-Jones, Neil Martin (Zimbaboe) ary Jean-Louis Gaillard (Frantsa).

1992-2000
  • Fivelarana any Afrika

Nitombo ny kaonferansam-piangonana. Nitety an’i Afrika am-polo taona maro i Miki Hardy sy ireo mpitandrina hafa, nitory tao amin’ny fiangonana tamim-pirehetam-po lalina mba hampiely ny hafatry ny hazo fijaliana. Niatrika lalana mampidi-doza, sakafo tsotra ary alina tsy nisy torimaso izy ireo. Tamin’ny alalan’izany fitsapana izany, dia nihamafy ny fifandraisana ary nitatra ny iraka.

2000
  • Lasy iraisam-pirenena voalohany ho an’ny tanora

Nokarakaraina ny lasy iraisam-pirenena voalohany ho an’ny tanora, ary lasa natao isan-taona izany, izay mitohy mandraka ankehitriny.

2001
  • Ny nahaterahan’ny CTMI

Nanangona olona maro izay tena nandray anjara lalina tamin’ny iraka fitoriana tao an-tranony i Miki sy Audrey Hardy, mba hizara vina iray tamin’izy ireo : dia ny hampita ny hafatra amin’ireo mpitarika sy fiangonana, indrindra fa aty Afrika. Io fotoana io no nanamarika ny nahaterahan’ny CTMI !

2001
  • Fihaonana isan-taona

Tao Maorisy no natao ny kaonferansa voalohany. Mbola mitohy mandraka ankehitriny ireo kaonferansa ireo. Avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao, tonga mivondrona ao amin’ny nosy Maorisy ireo kristiana mandritra ny herinandro iray, ho an’ny fihaonana, fiombonana, fankalazana ary indrindra ny fizarana ny Tenin’Andriamanitra.

2001–2010
  • Fisokafan’ny varavarana vaovao ny haino aman-jery

Mba hanitarana ny fielezan’ny hafatra, dia sehatra vaovao tamin’ny alalan’ny haino aman-jery no nampiasaina ho an’ny asa fitoriana : 2001 : fanokafana ny tranonkala voalohany. 2002 : fandefasana fandaharana voalohany tao amin’ny Trinity Broadcasting Network. 2004 : famoahana ny boky voalohany. 2005 : fandaharana voalohany tamin’ny onjam-peo. 2006 : famokarana ny talk-show voalohany.

2001-2011
  • Folo taona nanitarana ny asa

Nandritra io folo taona io, dia kaonferansa ho an’ny mpitarika am-polony sy famangiana fiangonana an-jatony no natao tany amin’ny tanàn-dehibe sy ambanivohitra maro manerana ny firenena maro : Maorisy, Kenya, Zimbaboe, Afrika Atsimo, Madagasikara, Frantsa ary maro hafa…

2007
  • Fiofanan’ireo mpiasa

Natomboka ny fandaharana “Fiofanan’ireo mpiasa”. Izy io dia hetsika fanofanana ara-panahy izay mikendry mba hanomana ny taranaka manaraka ho lasa mpitarika.

2009
  • Ny Trianon Convention Centre

Fanokanana ny Trianon Convention Centre (TCC). Efitrano mahazaka olona 3000, vokatra avy amin’ilay vina ho an’ny fiangonana mitombo sy mandroso.

2012
  • Kaonferansa voalohany ho an’ny vehivavy

Tany Kenya no natao ny kaonferansa voalohany ho an’ny vehivavy, mba hampaherezana azy ireo amin’ny finoana sy hanamafisana ny anjara toerany ao amin’ny fiangonana.

2013–2016
  • Mampahery miaraka ireo mpitarika

Mbola mitohy mampivory mpitandrina manerana ireo toerana rehetra anaovana azy ihany ny kaonferansa ho an’ny mpitarika, izay niteraka fifandraisana vaovao no sady nanamafy ireo efa misy teo aloha.

2015
  • Tsinjarana mba hanompoana tsara kokoa

Mitombo ny ekipa. Natsangana ny “hub” (foibe) isam-paritra mba hanompo tsara kokoa ireo fiangonana sy mpitarika. Mihamazava ny vina : dia ny hampitao sy hampahery ireo mpitarika aty Afrika sy any an-kafa.

2015
  • Fampitomboana ireo fandaharana

Fandaharana maro amin’ny fahitalavitra sy onjam-peo no nalefan’ny CTMI, anisan’izany ny : Q&A, Message du Jour, Fampianarana Baiboly, Ny Hazo Fijaliana, Chrétien au Quotidien ary ny Leaders’ Live.

2017
  • Nahaterahan’ny Malaïka

Famoahana ny fandaharana voalohany ho an’ny vehivavy tamin’ny fahitalavitra : Malaïka. Izy io dia fandaharana maro lafy ho an’ny vehivavy kristiana afrikanina, natao hanampy azy ireo hitomboany amin’ny finoana, handrava ireo lohahevitra fady “tabou”, ka hahazo fampaherezana azo ampiharina amin’ny fiainana andavanandro.

2017
  • Ny Kaonferansa BATIR

Natomboka ny kaonferansa BATIR mba hampitao an’ireo mpitarika amin’ny fanompoany.

2020
  • Mihiboka nefa mifandray hatrany…

Nandritra ny valanaretina Covid-19, dia nifindra tamin’ny sehatra nomerika ny CTMI : fandaharana mivantana, ny Message du Jour, CTMI amin’ny Zoom, Q&A, 15 min de grâce et de vérité, ary ny Leaders’ Live dia mbola nanohy nitondra ny hafatry ny hazo fijaliana tany amin’ny tokantrano maneran-tany na dia teo aza ny fihibohana.

2021
  • Nampivondrona ireo mpitarika maneran-tany ny virtoaly

Ho fanohizana ny fampitaovana ireo mpitarika na dia tsy afaka nivezivezy aza nandritra ny vanim-potoan’ny valanaretina, dia nisy kaonferansa iraisam-pirenena ara-virtoaly natao, izay nozaraina ho ampahany 4, nahavory mpitarika 30 000 avy amin’ny firenena 50 tao anatin’ny 2 taona izany. Ankehitriny, ny kaonferansa BATIR dia mitohy amin’ny fanatrehana izany mivantana (présentiel), ka kaonferansa 10 isan-taona no atao.

2023
  • CTMI ao anatin’ny paosinao

Famoahana ny “Application” amin’ny finday ny CTMI, izay mampivondrona ireo vokatra rehetra novokarin’ny CTMI, ho sehatra tokana mora idiran’ny kristiana maneran-tany.

2025
  • GRANDIR

Ny GRANDIR dia manome sehatra ho an’ny mpino maneran-tany mba hahery amin’ny finoany sy ho velona amin’ny fahamarinana.

Mbola hitohy…

Ny tantaranay

Vina nateraky ny hazofijaliana

Ny tantaran’ny CTMI dia nanomboka tany amin’ny faramparan’ny taona 1970, rehefa nisy fifohazam-panahy nitranga tao amin’ny nosy Maorisy. Tanora lahy sy vavy maro no nihaona tamin’i Kristy ary nanomboka nanompo Azy tamin-kafanam-po sy firehetam-panahy. Nitory teny sy nanao fitoriana ny Filazantsara izy ireo ary nanangana fiangonana manerana ny firenena. Kanefa, tsikelikely teny dia nanomboka hita fa : tsy ampy ny firaisana sy ny fahamatorana ary ny fototra ara-panahy mafy orina, ka tsy ela dia niteraka fisaratsarahana sy fahakiviana izany.

Tao anatin’izany toe-javatra izany, ny iray tamin’ireo pasitera, i Miki Hardy, dia nitodika tamin’ny Soratra Masina mba hitady valiny. Tamin’ny taona 1986, dia nasehon’Andriamanitra taminy fa ny hazofijaliana dia tsy marika fotsiny ihany, fa fiainana mila hiainana, ary izany no nitondra teo aminy fiovan-dalana tsy azo niodivirana. Rehefa nandray ny hafatry ny hazofijaliana izy, dia niaina fiovana maro teo amin’ny fiainany sy teo amin’ny ankohonany. Ary rehefa nozarainy tamin’ireo pastora hafa izany, dia niaina fiovàna lehibe koa izy ireo teo amin’ny fiainany sy ny ankohonany ary ny fanompoany.

Avy tamin’izany famerenana amin’ny laoniny izany no nahaterahan’ny faniriana lalina hampita ity hafatra ity amin’ireo mpanompon’Andriamanitra hafa, ka nitarika tamin’ny fihaonana izay lasa fifandraisana lehibe ary nahatonga ny fiforonan’ny ekipa apostolikan’ny CTMI tatỳ aoriana. Tao anatin’ny ny folo taona nanaraka, dia nitety an’i Afrika ity ekipa ity, nitondra izany hafatra izany tany amin’ireo fiangonana. Izany iraka maro natao izany no nampitombo ny faharesen-dahatra fa mila ampitaovina sy hampaherezina ireo mpitarika fiangonana, ary tamin’ny taona 2001 dia niorina ny Church Team Ministries International (CTMI).

Ankehitriny, ny CTMI dia tambajotranà fiangonana sy mpitarika izay efa miparitaka any amin’ny firenena mihoatra ny 40 maneran-tany. Miray ao anatin’ny hafatry ny hazofijaliana sy ny fampianarana tsy misy kilema izay an’i Jesosy Kristy izy rehetra, ary miasa mba hampiely izany eran’izao tontolo izao.